Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-12

13 Teny mafy no navalin'ny mpanjaka ny vahoaka. Navelany ny hevitra nomen'ny zokiolona, fa araka ny hevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: 26 Ary hoy Jeroboama anakampony: Mba mety ho tafaverina amin'ny tranon'i Davida ihany ny fanjakana izao. 27 Raha miakatra hanao sorona any an-tranon'ny Tompo any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon'ity vahoaka ity hankany amin'ny tompony indray, amin-dRoboama mpanjakan'i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRoboama mpanjakan'i Jodà. 28 Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak'omby volamena roa ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Efa ela niakarana tany Jerosalema hianareo, ry Israely, ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta. 29 Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa, tany Danà. 30 Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Danà hivavaka amin'ny anankiray amin'ireo ny vahoaka. 31 Nanao trano ho an'ny fitoerana avo Jeroboama, ary namorona mpisorona nalainy tamin'ny vahoaka fa tsy isan'ny taranak'i Levì. 32 Nisy fety noforonin'i Jeroboama tamin'ny volana fahavalo tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin'i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony otely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan'ny olona sorona amin'ireo zanak'omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron'ireo fitoerana avo, izay natsangany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0845